ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mbola mitohy ny fisoratana anarana amin’ny « Tournoi Zanatany »

Ao anatin’ny fikarakarana ny fifaninana ny tournoi Zanatany ny ao amin’ny kaominina Talata volonondry, amin’izao fotoana izao. Mbola misokatra ny fisoratana anarana sy ny fandraisana ireo klioba vonona handray anjara amin’izany, raha ny voalaza.

« Natao indrindra ho an’ireo klioba na ekipa rehetra tsy ankanavaka ato anatin’ny kaominina ny tournoi zanatany. Antsoina indrindra indrindra ireo klioba isam-pokontany handray anjara ao anatin’izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Mampiakatra ny lentan’ny mpilalao ny fiatrehana fifaninana. Ilaina araka izany ny fandraisan’anjaran’ny ekipa isan-tsokajiny amin’ny karazana fifaninanana tahaka izao » hoy i Tafita, mpilalao baolina .

Taranja ara-panatanjahantena mahasarika tanora ary ankafizin’izay ny taranja baolina kitra. Ny fanentanana sy ny fanohanana ary ny fandraisana an-tanana ny fikarakarana ity taranja ity tokoa no anisan’ny mampivoatra sy mampandroso izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire