ActualitésTsidika

Ministeran’ny Fanabezam-pirenena : Manatanteraka atrik’asa fakan-kevitra ny fitalevam-paritry ny fanabezam-pirenena ao Boeny

Nanomboka ny 16 Aogositra 2021 ny fanombohana ny atrikasa fakan-kevitra isam-paritra momba ny lalàna mifehy ny fanabeazana eto Madagasikara (CRINFP) izay tanterahina ao amin’ny ivon-toeram-panofanana rezionaly ao Mahabibo.

Haharitrra dimy andro ny atrikasa ka hifarana ny zoma 20 Aogositra 2021. Tonga nanotrona sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany ny talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena eny an-toerana. Nanamafy ny maha zava-dehibe ity atrikasa ity izy tamin’izany ka nanambara : « Ho entina hanavaozana sy hanatsarana ny kalitaon’ny Fanabeazana eto amin’ny firenena izao atrikasa izao ». Mpandrindra sy teknisiana miisa fita avy amin’ny ministera foibe telo: ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ary ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy  ny Fampiofanana arak’asa, no miara-miasa amin’izao atrikasa izao. Fanangonana hevitra sy fifampidinihana miaraka amin’ireo solontena isam-paritra miisa 30 no ho hatao mandritra ny telo andro ary ny roa andro kosa no ho entin’ireo tompon’andraikitra handravonana izay soso-kevitra tapaka amin’ny fihaonana alohan’ny hamaranana ny atrik’akasa.

Antenaina fa tena hitondra fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fanabeazna izao arikasa tanterahina izao.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire