ActualitésTatitra

Pologne : Miahiahy amin’ny ampinga ny mponina

Raha raikitra ny fifanafihana eo amin’i OTAN sy Russie dia ny ampinga na « bouclier antimissile » napetrak’i Etats-Unis ao avaratr’i no ho lasibatra voalohany hoy ny ahiahin’ny mponin’i Pologne. « Raha mipoaka ny charge nucléaire tactique dia anisan’ny ho rava voalohany ny tananay izay kilometatra vitsivitsy monja ny ampinga » hoy ny ben’ny tanan’i Slupsk, Ryszard Kwiatkowski.Nanamafy nefa i Washington fa ny ampinga napetraka ao amin’ny tananan’i Redzikowo dia tokony hahavita hanohitra ireo « missiles balistiques tirés » alefan’ny firenena samihafa. Nitsipaka izany nefa Ryszard Kwiatkowski, nilaza izy fa tsy rafitra fiarovana izany. « Amiko tsy misy rafitra fanafihana na fiarovana izany fa ny rehefa rafitra miaramila dia manome vahana ny herisetra avokoa, ka io heverin’ny OTAN rafitra fiarovana io dia fiantsia ny federasionin’i Russie » hoy izy.

Laisser un commentaire