Allemagne : Lehilahy roa nanolana tovovavy avy ao Ukraine nitsoa-ponenana
ovovavy 18 taona avy ao Ukarine nitsao-ponenana noho ny ady no naolan’ny lehilahy roa tao amin’ny ivo-toerana mpandray mpitsoa-ponenea tao Düsseldorf. Lehilahy avy ao Irak, 37 taona sy lehilahy avy ao Nigéria, 26 taona manana zom-pirenena Ukrainien no nahavanona ny loza raha ny fantatra.Nanokatra fanadihadiana amin’ny fomba fahazoana pasipaoro ao Ukraine ny biraon’ny fampanoavan’i Düsseldorf manoloana izany. Efa voasambotra kosa ireo lehilahy ireo ary nilaza ny solombavambahoakan’i Bundestag, Andrea Lindholz ho hamafisina ny fiarovana ireo vehivavy amin’ireo ivo-toerana ireo. Marihina fa mpitsao-ponenana 25 no noraisana tao amin’io ivo-toerana nisehoan’ny loza io.
