Pologne : Karolina Bielawska, « Miss Monde 2021 »
Voafidy Miss Monde taona 2021 i Karolina Bielawska ny 16 martsa teo nandritra ny lanonana notontosaina tao San Juan tao Porto Rico. Nandimby ny Miss avy any Jamaïque, Toni-Ann Singh izy, ary Miss Monde faha 70.Teraka tao Łódź ny 11 aprily 1999 i Karolina Bielawska, efa voafidy Miss Pologne tamin’ny taona 2019 ny tenany. Mbola mpianatra kosa izy, mandranto fianarana ao amin’ny oniversite teknolojika an’i Łódź, efa manana mari-pahaizana « licence en sciences de gestion » ary nanao « thèse » nisahana ny lohahevitra hoe « L’image de la marque Miss Pologne ».Manomana « maîtrise » misahana ny raharaham-barotra ao amin’ny « Faculté internationale d’ingénierie » kosa izy amin’izao fotoana. « Conférencière » no mba nofinofiny hoy izy.
