Viliahazo : Mandroso ny asa fanarenana ny lycée
Hita ho mandroso tokoa ankehitriny ny asa fanorenana ny lycée ao amin’ny Kaominina Viliahazo amin’izao fotoana izao. Miara-mientana amin’ity fanorenana ity avokoa ny mponina any an-toerana sy ireo zanaka am-pielezana ary indrindra ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
« Tena hita ho miezaka tokoa ireo eto Viliahazo ho an’ny fanabeazana ny zanaka. Tsy mikely soroka mifandrimbona amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tsy misy hafa-tsy ny fifanohanana ihany no tena zava-dehibe » hoy i Andry, zanaka am-pielezana. « Mbola miantso sy manentana hatrany ireo malala-tanana izahay amin’ity asa fanarenana ity. Tena nampijaly ny zanak’i Viliahazo mihitsy mantsy ny tsy fahampian’ny lycée. Ankehitriny miezaka tsikelikely isika ho amin’ny fampandrosoana » hoy ny ben’ny tanàna ao Viliahazo.
Dingana lehibe eo amin’ny fanabeazana tokoa izao fiaraha-misalahy izao. Atomboka amin’ny nofinofy sy vinavina tokoa ny asa fampandrosoana.
Nicole Rafalimananjara
