Jordanie : Pétra, toerana misarika mpizaha tany betsaka ao amin’ny firenena
Tanàna « nabatéenne » ao atsimon’ny Jordanie i Pétra. Isan’ny foiben’ny fizahan-tany ao amin’ny firenena izy.
Tany amin’ny faran’ny taonjato faha-8 talohan’i JC no naorin’ny « Édomites » io tanàna io. Ireo « Nabatéens » kosa no nitoetra tao aminy tany amin’ny taonjato faha-6 talohan’i JC tany. Nahay nanararaotra ny fitoeran’ny tanàna ireo mponina ireo ka nahay nampandroso azy. Marihana mantsy fa teo amoron’ny lalan’ny mpitaingin-tsoavaly mpitondra « encens », hanitra ary vokatra sarovidy samihafa teo anelanelan’i Arabie du Sud, Égypte, Syrie ary ny Méditerranée.
Foana tsikelikely nohon’ny fiovan’ny lalan-barotra sy ny horohorontsany nefa i Pétra ary tsy adino hatramin’ny nahitan’ilay « explorateur » avy ao Russie, Jean Louis Burckhardt azy indray tamin’ny taona 1812.
