ActualitésTsidika

Avaradrano : Miady ny lalao baolina kitra eo amin’ny samy kaominina

Mitohy hatrany ny lalao amin’ny baolina kitra ho an’ny kaominina rehetra eto Avaradrano. Nozaraina roa ny vondrona ka ao ny A sy B. Ny Federation Malagasy de Football sy ny Analamanga League Football Association ary ny Section Football Antananarivo Avaradrano no mikarakara ny lalao.

« Ny kaominina Anosy Avaratra izao no mitana ny laharana voalohany ao amin’ny Vondrona A raha ny Kaominina Sabotsy Namehana kosa no ao amin’ny Vondrona B » hoy ny mpikarakara. “Mila manohy ny ezaka hatrany isika eto Alasora mba ho voninahitry ny Kaominina antsika hatrany, ary ambony foana ny moraly » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. Marihina fa i Alasora no mitazona ny laharana faharoa ao amin’ny vondrona B.

« Mahafinaritra mihitsy ny lalao tahaka izao satria sady mampiala voly ny mponina aty Avardrano izany » hoy i Gerard, mponina ao Sabotsy Namehana. Miady ny lalao, ary hita fa samy miezaka ny ekipa rehetra na izany aza dia iray ihany no mpandresy ka hitondra avo ny Distrikan’Avaradrano izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire