ActualitésTsidika

VIH/SIDA : Mitohy hatrany ny ady hisorahana ity aretina ity

Tontosaina isaky ny 1 desambra ny andro maneran-tany iadiana amin’ny Sida. Nisy ny hetsika natao teny Analakely nanomboka tamin’ny 9 ora maraina ho fanamarihana izany teto Madagasikara.

« Mitohy foana ny ady ami’nny VIH/SIDA, ary izany no natao tamin’ity hetsika ity, izay nisy fampafahafantarana ny arteina sy ny fanentanana maro isan-karaznay manodidina izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. « Mila foanana eto amintsika ny SIDA ka nisy ny fitiliana maimaimpoana izany aretina izany tamin’ity anio ity » hoy ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely Harivelo. « Mbola maro ny manilikilika ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH eto amintsika, ary tsy vitsy ihany koa ireo marary miafina tsy mety horaisina an-tanana noho ny fahatahorana izany fanilikilihana izany, kanefa mety hamindra amin’ny hafa izany raha tsy misy ny fitiliana sy ny fandraisana andraikitra amintsika rehetra » hoy i Dokotera Rova.

Mbola tsy foana eto amintsika tokoa ity areti-mandoza ity ka mila miara-mientana sy miara-misoroka izany. Mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo izy, amin’ny ankapobeny, fa eo ihany koa ny fahalotoan’ny fitaovana izay mety hifandray amin’ny rà toy ny hety sy ny hareza. Mila mitandrina mandrakariva isika satria tsy mbola misy ny vaksiny fanefitry ny VIH amin’izao fotoana izao.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire