SocialTsidika

Alasora : Namboly hazo ny Kaominina

Mbola ao anatin’ny fotoan’ny fambolen-kazo isika eo Madagasikara amin’izao. Nanatanteraka ny adidy amin’ny tanindrazana amin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny kaominina Alasora.

« Manohana hatrany ireo manome tanana amin’ny fanarenana ny tontolo iainan’i Madagasikara izahay. Adidy iaraha-manana io ka tsara raha samy manao izay vitany » hoy ny avy ao amin’ny Minsiteran’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy izay nanolotra ny zana-kazo ho an’ny Kaominina. « Misy ny mandoro, dia misy ny mamboly. Tsy rariny loatra ny zava-misy tahaka izao. Teto Andanona Ambatoloana no nanatanterahanay ny fambolen-kazo » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora.

Mbola mitohy foana ny fambolen-kazo ho amin’ity taona 2022 ity. Tsy tara akory isika raha izao vao hanao ny adidy ho an’ny tanindrazana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire