ActualitésTsidika

Shoprite : Hiala eto Madagasikara sy amin’ny firenena telo hafa eto Afrika

Nanao fanambarana ny Vondrona Shoprite, ny Alatsinainay 23 Aogositra 2021 teo fa hiala eto Madagasikara. Antony izany fialana izany ny fidinana ny tsenam-barotra. Efa niala tao Kenya sy Nigeria ihany koa ny vondrona Shoprite mialohan’ny handaozany an’i Madagasikara sy Ouganda.

Ao anatin’ny fanambarana nataon’ny vondrona Shoprite, nanomboka ny taona 2002 izy ireo no niasa teto Madagasikara, nisedra olana teo amin’ny resaka toe-karena hatrany ireo tsenam-barotra ivelan’i Afrika atsimo : ao ny fihenan’ny fahefa mividin’ireo mpanjifa, ao ny olana nosedraina ihany koa noho ny fiantraikan’ny covid-19. Isan’izany olana izany ihany koa ny fihenan’ny lanja ireo sandam-bola. Araka ny navoakan’ny gazeti-boky iray ao afrika atsimo, Business Day, ny volana desambra 2020 sy ny enim-bolana voalohany ny taona 2021 no nahitana fidinana 8, 4% izany hoe 784 tapitrisa rand (vola afrikanina), Kenya, Ouganda ary Madagasikara. 5, 9% ny fidinana voamarina amin’ireo firenana telo ireo izay ahitana magazay shoprite miisa 17 (10 ao Madagasikara, 5 hoan’i Ouganda ary 02 hoan’i Kenya.

Maro ireo olona manahy ho very asa amin’izao fanambarana nataon’ny Shoprite izao, Araka ny vaovao azo, tsy ho foana tsy akory ireo magazay sy tsena Shoprite. « Hitohy ny asa fa vondrona hafa no handray izany fa tsy ny Shoprite intsony » hoy ny loharanom-baovao. Maneho ny heviny kosa ireo olona manoloana izao fialan’ny vondrona izao; ao ny milaza fa tokiny omena sehatra ny vokatra Malagasy ary homena tohana ireo mpandraharaha madinika, ao ny miteny fa efa maro ireo orinasa sy tsena lehibe niala teto Madagasikara noho ny fahefam-mividy eto Madagasikara izay tena nihena tokoa. « Mampalahelo ny fialan’ny vondrona Shoprite eto Madagasikara, izahay zatra miantsena ao noho ny tombony kely azonay amin’ny fihenam-bidy atolotr’izy ireo »hoy i Lanto, renim-pianakaviana iray.

Andrasana izany ny fahafantarana indray no vondrona vaovao hisolo an’i Shoprite.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire