ActualitésTatitra

Inde : Mirona amin’ny fampiasana tain’omby ho loharanom-angovo

Ozinina « biomasse » iray ao avaratra’i Inde no mamadika ny tain’omby ho angovo. Tetikasa andrana mikendry ny fampihenana ny fahalotoan’ny rivotra izany sady entina hanasoavana ny tantsaha ao an-toerana.Tonkantrano maro ao amin’ny vondrom-piarahamonina ambanivohitr’i Inde no efa nampiasa io tain’omby io (bouses, fumier) ho « combustible » hatramin’izany. Anisany nantodo ny rivotra izany ka novain’ny fitondram-panjakana tavoahangy « gaz ».Afaka misitraka ny fampiasaina ny tain’ombiny indray nefa ireo olona ireo amin’ny alalan’io tetikasa io. Ao amin’ny tanana ao Indore, renivohitr’i Madhya Pradesh no tanterahina io tetik’asa io. Mahavita mamatsy angovo an’io renivohitra io izany.Ny volana febroary teo kosa no notokanan’ny praiministra Narendra Modi ny toerana. Ny tantsaha iray mamatsy tain’omby iray fiaravaventy ho an’io ozinina io dia mahazo eo ho eo amin’ny iray tapitrisa Ar.

Laisser un commentaire