Côte d’Ivoire : Niverina tamin’ny fitantanana ny praiminisitra Patrick Achi
Nanao fanambarana ny filoham-pirenen’i Côte d’Ivoire, Alassane Ouattara fa niverina tamin’ny toerana naha praiminisitra azy i Patrick Achi herinandro taorian’ny fialany. Raha tsiahivina dia ny alarobia eriny teo io praiministra io no nametra-pialana niaraka tamin’ny governemantany.Entina hitsinjovana ny toe-karena maneran-tany sy ny fampihenana ny fandaniam-bolan’ny fanjakana kosa no antony namerenana io governemanta io hoy ny filoha. Nanamafy izy fa efa nanome toromarika ny praiministra hiatrehana izany nandritra ny fivorian’ny parlemantera tao amin’ny kongresy, ny antenimieram-pirenena ary ny antenimieran-doholona tao tao amin’ny renivohitra ara-politika Yamoussoukro.Nanendry filoha lefitra ihany koa ny filoha nandritra izany. Marihina fa banga nandritra ny taona io toerana io, ka manomboka izao dia ilay goveroran’ny banky foibe Tiémoko Meyliet Koné no hiasahana izany andraikitra izany.
