France : Avy aiza ny ovy fority ?
Sakafo be mpihinana indrindra eran-tany aorian’ny mofo dipaina ny fority ovy. Manodidina ny 11 000 tapitrisa kilao eo isan-taona ny ovy ampiasaina amin’ny fanaovana azy eran-tany, ary tsy mbola voasokajy ao anatin’izany ny lanja isan-tokatrano.Sakafo teraka an-dàlam-be ny fority ka sarotra faritana ny tena nipoirany, hoy ny mpahay tantara ao France, Madeleine Ferrière. Mifanditra ho samy nipoirany i France sy i Belgique. Vakoka nasionaly ho an’i Belgique mihitsy ny fority ka manitikitika ireo manam-pahaizana momba ny sakafo ao an-toerana ny niaviany.Raha ny tantara avy ao France dia noforonin’ireo mpivarotra mpandehandeha teo amin’ny tetezan’i Paris taorian’ny « Révolution 1789 » izy. Ho an’i Belgique kosa dia tao Namur, tao atsimon’ny firenena izy no teraka. Efa zatra nanendy trondron’i Meuse ny mponina ary rehefa nivaingana ny renirano ny taonjato faha 17 dia nanomboka nitetika ovy nohendasina izy ireo. Fantatra nefa fa nirakitra tao anaty « recette » ny veivavy avy ao France antsoina hoe Mérigot nanomboka ny 1794 izy ka nomena an’i France ny anaran’ny mpamorona azy.Ovy endasina tetehina kelikely lavalava ny fority, anisan’ireo sakafo maro mpankafy indrindra izy na anisan’ireo matavy indrindra ihany koa aza.
