Sofia : Paik’ady hampandriana ny fahalemana ny fikambanana Dina malain-kalatra
Natsagana ara-dalàna ny paik’ady ahafahana mampandry ny fahalemana ao amin’ny Faritra Sofia tamin’ny alalan’ny Dina Malain-kalatra, na Besaboha. Isan’ny vaindohan-draharaha ao amin’ny Faritra Sofia izany.
« Vonona izahay, ary handray ny andraikitra amin’ny fampandriana ny fahalemana eto amin’ny tanàna » hoy Édouard, filohan’ny fikambanana Dina Malain-kalatra (Besaboha) ao amin’ny Distrikan’Antsohihy. « Natao ny fomba rehetra mba ahazoana fankatoavana avy amin’ny fitsarana mba ahafahana mampandry fahalemana haingana sady maharitra amin’ny alalan’ny Dina Malain-kalatra. Mijoro ara-dalàna izy ankehitriny » hoy ny Jeneraly Lylyson Réné de Rolland, Governoran’ny faritra Sofia.
Antenaina izany ny hisiany fandriam-pahalemana ao amin’ny Distrikan’Antsohihy sy ny faritra Sofia. Vonona amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fiarahamiasa matotra amin’ireo komitin’ny Dina rahateo ireo tompon’andraikitra rehetra ao Sofia.
Nicole Rafalimananjara
