SocialTsidika

14 febroary : Andron’ny mpifankatia

Ny 14 febroary no andro manokana ho an’ny mpifankatia. Betsaka ny hetsika entina hanamarihana izany eto amintsika. Fifaninana maro ihany koa no hita eto amin’ny tambajotra aterineto ho entina hanamarihana izany. Tsy ho latsa-danja ny fampisehoana isan-karazany.

« Fotoana manokana io hanehoana ny tena fitiavana marina amin’ny olon-tiana ilay antsoina hoe silam-panahy. Rariny loatra raha tolorana fitiavana ny olon-tiana » hoy i Lova, mpianatra serasera eny amin’ny anjerimanontolo.

« Fotoana fanehoam-pitiavana avokoa ny fotoana rehetra. Tsy tokony hisy andro manokana ho an’ny mpifankatia izany. Isan’andro dia tokony hifanamporofo fitiavana ny olon-droa. Tsy mifidy ora sy fotoana mantsy ny fitiavana » hoy i Hanta, renim-pianakaviana monina ao Anjanahary.

Samy manana ny fandraisany ny andron’ny 14 febroary ny rehetra. Ao ny manatsahatra ny asa aman-draharaha ary mifantoka manokana amin’ny olon-tiany. Ao ny mihevitra izany ho toy ny andro mahazatra, ary manohy hatrany ireo asany. Tsara tokoa raha ho entina hanehoam-pitiavana foana ny andro rehetra. Tsy voatery miandry ny 14 febroary tahaka izao vao hanaporofo ny fifankatiavana.

Marihina fa fetin’ny Masindahy Valentin ny 14 febroary izay nosokajin’ny Katolika ho olomasina mpiaro ny mpifankatia, nanomboka ny 1494. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire