ActualitésTsidika

Serasera : Aiza ho aiza ny toeran’ny onjam-peo ?

Tafiditra ao anatin’ireo tamba-tserasera tranainy ny onjam-peo na ny radio. Ny 13 febroary no andro iraisam-pirenena ho an’ny onjam-peo.

« Amin’ny maha haino vaky jery azy dia manana anjara asa telo izy : mampahafantatra, manabe ary mampiala voly ny onjam-peo. Isan’ny tena manana ny tanjany mihitsy izy eto Madagasikara noho izy be mpihaino. Marina fa efa tranainy izy ary efa miditra ny tamba-tserasera vaovao, saingy tsy mbola lefy ny heriny » hoy i Rindra, mpianatra serasera ao amin’ny Fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny Siantsa maha-olona ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. « Manana tombony lehibe ny onjam-peo raha mitaha ny tamba-tserasera hafa. Afaka mandrakotra ny toerana maro izy ary maimaim-poana ny fisitrahana azy. Ny fitaovana fotsiny no mila ananana » hoy i Mbola, mpahay rindram-baiko.

Manana anjara asa lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny onjam-peo. Tsy vitsy ireo tanora liana amin’ny tontolon’ny onjam-peo amin’izao ary maniry hiasa amin’izy ireny.

Laisser un commentaire