SocialTsidika

Ambohimangakely : Fotoana hianarana zava-baovao ny fahatanorana

Manana anjara toerana lehibe amin’izao vanin’andro izao ny mpikarakara sakafo, indrindra ireny tsakitsaky ireny. Sehatra azo hiasana tokoa izany ary tena hahazoam-bola. Mikarakara fampianarana sakafo tsakitsaky ny ivon-toeram-pampianarana BTC Ambohimangakely.

« Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo te hahay ny fanamboarana tsakitsaky toy ny nem, sambos, tacos sy ny maro hafa. Saika ahitana izany tsakitsaky izany avokoa mantsy amin’izao amin’ny fanokafana lanonana iray indrindra fa ny tsingerin-taona » hoy i Diamondra, mpitantana ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

« Efa ela no niandrasako izao teto Ambohimangakely. Sehatra tena mivelatra tokoa mantsy eto Avaradrano ny fikarakarana sakafo. Tsara ho hain’ny tanora izany na tsy ho an’ny asa ihany aza fa indrindra ho an’ny tokantrano » hoy i Ranto, tanora ao Ambohimangakely. Tsy voatery any amin’ny fety ihany tokoa no ilàna ny tsakitsaky, azo atao tsindrin-tsakafo izy. Azo aroso izay vahiny tonga ao an-trano ihany koa.

Ny fotoanan’ny fahatanorana no fianarana zavatra maro. Tsara raha araraotina hianaran-javatra izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire