Fisandohana anaty tambajotra amin’ny alalan’ny « trading job »
Tsy vitsy, ary mirongatra mihitsy ireo mpisoloky any anatin’ireny tambajotra ireny ankehitriny. Tamin’ity tranga ity zao dia nahatratra mpisoloky amin’ireny resaka « trading job » na asa ara-barotra ara-pifandraisan-davitra ireny izay atao amin’ny alalàn’ny tambajotran-tserasera facebook. Maro ny olona tafaroboka noho ny amin’ny fahaizan’ity mpisoloky mandresy lahatra ka very vola sy fotoana.Tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo vao nanao fanambarana ny avy ao amin’ny Banky Foiben’ny Madagasikara fa misy mampiasa rohy sandoka handrebirebena saim-bahoaka sy itadiavany vola ka ny anaran’ny BFM no ataony fitaovana amin’izany, tsy io irery anefa maro izy ireny ary izay indrindra no ilaina ny paik’ady amatanjaka avy amin’ire ny sampan-draharaha « cybercriminalité » ireny mba ahafahana mamongotra ny toy izany. »Nandefa fampahafantarana tamin’ny Facebook izy ary maro no liana ka nampidiriny tao anaty vondrona fifampiresahana tanaty tambajotra hatrany, (Business en ligne no nataony anarany). Milaza ho mahay mampitombo vola amin’ilay asa amin’ny tambajotra izy ary nitondra anarana teratany vahiny sandoka maro (Eléan Fahad, Eléan Bin Fahad, Snakino Walkeen Te). Tsy mila mivoaka ny trano hoy izy dia efa afaka mampitombo vola, amin’ny alalàn’ny fividianana sy fivarotana vola vahiny an’habaka (vente et achat de devises en ligne na trading). Milaza ihany koa izy fa mampianatra fandraharahana mikasika io sehatra io (formateur en trading) ho an’izay liana ary 70 000 ariary hatramin’ny 100 000 ariary ny saran’ny fampianarana, ary mampanantena izay olona mahavita ny fiofanana omeny dia ho afaka mampitombo ny vola ampiasany hatrany amin’ny 50%. Izay olona tsy te hanaraka fiofanana kosa nefa maniry hampitombo vola dia lazainy fa izy no hitantana ilay vola ary averiny renivola afaka telo volana sy miaraka amin’ny tombony 50% isam-bolana » Hoy ny fitantaran’i Sariaka, isan’ireo lasibatra. »Tsy misalasala na matahotra ny mihaona amin’ny olona mivantana izy mba tsy hananan’ny olona ahiahy. Matetika izy no mandray mivantana ny vola amin’izay olona hofitahiny fa mety aminy koa raha alefa aminy amin’ny « Mobile Banking » (mvola, airtel money, orange money) ny vola na avy hatrany dia alefa « cryptomonnaie » satria efa manana « portefeuille électronique » izy, rehefa tafiditra « Mobile Banking » ilay vola dia alefany avadika ho devise ao amin’ny Facebook izy; voavadika « monnaie cryptée » ilay vola dia arotsany ao amin’ny «portefeuille électronique» fampiasany avy eo izy miditra «meta traders» izay ahafahany misafidy ireo karazana « trading » azo hampiasam-bola » hoy ny fanazavan’ny avy ao amin’ny zandarimaria.Betsaka loatra ny fitarainana avy amin’ny olona ka teo nanaovan’ny zandary ny velam-pandrika ka nahatratraràna ity mpisoloky ity, nidoboka any Antanimora avy hatrany ity mpisoloky noho ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana natony.Nilaza kosa i Nestor, mpahay lalàna iray fa « ny taoy izany indrindra no ilàna ihany koa ny fanidirana ny lalàna any amin’ireny tambajotran-tserasera ireny, vao tsy ela zao no saika ho laniana ny lalàna mifehy ny amin’ny fandoavan-ketra amin’ireny varotra anaty tamba-jotra facebook ireny ».Ny fahamailoana no tokony atao betsaka efa maro ireny asanà fisolokiana amin’ny tamba-jotran-tserasera sy tranokala maro ireny ary maro koa ny olona no roboka noho tsy fisian’asa matetika no tena manosika ny olona hanao izy ireny, ka ny fanomezan’asa ho an’ny tsy an’asa arak’izany no tena vahaolana voalohany indrindra.
Lovasoa Tojonirina
