Ny katro: Kilalaon-tsaina Malagasy.
Kilalao nentim-paharazana ny katro. Efa zary lova sisa ny katro aty afrika raha tena malaza any amin’ireo firenena tatsinanana efa aman-jaton taona maro. Toa kilalao tsotra sy mora ny katro raha vao jerena kanefa tena kilalaon-tsaina be izy.
Maro tamin’ny Malagasy tany aloha no mahafantatra ny maha-sarobidy ny kilalao nentim-paharazana. Mitondra fanabeazana, fialam-boly ary fanokafana ny saina ny filalaovana ny katro.
Misy tokoa ny fomba filalaovana azy sy ny fitsipika tsy maintsy arahina amin’ny maha-kilalao azy. Tsy maintsy olona roa manana andalana roa avy no milalao azy. Amin’ireo andalany avy ireo no ahitana lavaka fasiana vatokely mitovy isa avy. Izay manomboka ny lalao no mifidy ny lavaka sy ny lalana tiany aleha. Manomboka mizara ny vatokely raisiny amin’ny lavaka tsirairay izy mandrapaha-lany ny any an-tanana. Afaka maka ny vaton’ny mpanohitra manoloana ny lavaka eo amin’izay ahavitana ny anjara izy roaroa. Izay lany vato voalohany dia resy.
Azo lalaovina na aiza na aiza ny katro. Azo hilalaovana azy ihany koa na voana vomadilo atao solona vatokely, ary tsaoka hanoritana ny lavaka.
Efa vitsy dia vitsy anefa ankehitriny ireo ankizy sy zaza no milalao sy mahalala ny kilalao katro. Antony mahatonga izany ny fivoaran’ny teknolojia sy ny tsy fisian’ny toerana hilalaovan’ny ankizy, indrindra fa ny tanànan-dehibe raha to aka nisy taloha teny Mahamasina tao amin’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena.
Fenohasina Ratsimamitaka
