Ambohidratrimo : Nitrangana vono olona
26 oktobra ; nitrangana famonoana olona tamin’ny fomba feno habibiana teny Antohibe Ambohidratrimo ny Talata teo. Handeha hiasa no nialan’ity tovovavy ity ny trano. Rehefa tsy nody izy ny hariva vao nikoropaka ny rehetra. Nikaroka azy ny havany; vatana mangatsiaka sisa no hitan’izy ireo. Teny amoron-dalana no hita ny fatin’ilay tovovavy vao 23 taona. Naboridana ny tapany ambany. Nahitana mangana ihany koa ny lohan’ilay tovovavy.
