Anjeva : Mpangalatra iray saika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Lehilahy iray no tratran’ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao amin’ny fokontany Imerikiasinina, kaominina Anjeva gara, ny 11 febroary teo. Noho ny hatezeran’ireo mponina dia saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy ity, arak any voalaza.
“Tao anatin’ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana no nahatratraran’ny fokonolona ity lehilahy ity. Izy moa izay nanararaotra nangalatra tuyaux miisa telo lehibe tao amin’ny tanàna iray rehefa fantany fa lasa nandeha nisotro kafe ireo mpiambina ny tanàna” hoy ny avy amin’ny zandarimaria Anjeva gara.
“Mbola mitandro ny fihavanana sy ny firaisan-kina ny ankamaroan’ny olona ary mitsetra sy manaja ny zon’olombelona. Raha ny eto Imerikiasinina dia mbola azo lazaina ho tanàna milamina, tsy tia korontana ny ankamaroan’ny olona. Ka tokony ho arak any heloka vitan’ilay olona no hamaizana sy hanasaziana azy” hoy I Rolland, mponina ao Imerikiasinina.
Anisan’ny paik’ady iray hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana; izay iarahan’ny mponina sy ny mpitandro filaminana misalahy. Nahitam-bokany tokoa izany ary efa maro ireo mpanao hala-botry tratra. Efa noraisan’ny zandarimaria an-tanana moa ity raharaha ity.
