ActualitésSocialTsidika

Anjery manontolo: Hiroso amin’ny dingana manaraka ireo mpianatra raha tsy mitondra vahaolana ny tomponandraikitra

Mitohy hatrany ary tsy mbola mivoha ny olan’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Ankatso, amin’izao fotoana izao. Manome 72ora ny tomponandarikitra indray ny fikambanan’ny mpianatra eny  amin’ny oniversite amahana haingana ny olan’ny mpianatra.

“Manoloana ireo olana rehetra misy eto anivon’ny fampianarana ambony izay miantraika tanteraka aminay mpianatra. Araka ny fivoriana niarahan’ny filohan’ny mpianatra eto amin’ny onivesite an’Antananarivo dia manaitra ny tomponandraikitra tandrify hamaly ny fangatahan’ny mpianatra” hoy ny avy amin’ny fikambanan’ny mpianatra.

“Tsy zarizary ary tsy misy mijery intsony ny lafin’ny fampianarana eto Madagasikara, manomboka hatrany amin’ny fampianarana fototra izany ka hatrany amin’ny oniversite. Tsy misy intsony ny fandraisana an-tanana sy ny fijerena ny ho avin’ny zaza Malagasy kanefa ireo no hanarina ny firenena atsy ho atsy” hoy i Tsanta, mpianatra eny amin’ny anjery manontolo.

Voarakaitra ao anatin’izany fanambarana izany moa ny famahana ireo olana mampikatso ny fampianarana, ny famaranana ny taom-pianarana mba hanenjehana ny taom-pianarana vaovao, fangatahana ny fahaiza-mitantan’ny mpampianatra mba tsy hisian’ny taona fotsy ary ny fampiakarana ny vatsim-pianarana, ity farany izay efa tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana sy ny filàn’ny mpianatra intsony.

Manitra R.

Laisser un commentaire