SocialTsidika

Nigeria : olona 42 navotsotra, tovovavy 317 mbola takalon’aina

Nanafika sekolim-panjakana ambaratonga faharoa, tao Kagara ny andian-dehilahy mitam-piadiana, ny zoma 26 febroary lasa teo. Mpianatra iray no maty nandritra izany fanafihana izany. Mpianatra 27, mpampianatra 3 sy fianakavian’ny mpiasa 12 no niaraka nalain’izy ireo an-keriny. Vondrona mpampihorohoro ao amin’io tananan’i Kagara io ireto nanao fakana an-keriny ireto. Takalon’aina matetika no tena antony hangalan’ireto vondrona ireto an-keriny ny mponina ao Kagara. Tsy vitan’izany fa mandroba tanàna sy mangalatra biby fiompy amina toeram-ponenana maro ao an-toerana ihany koa izy ireo, indrindra amin’ireo tanàna avaratra andrefana sy afovoany andrefan’i Nigeria. Mampitombo ny fakana an-keriny ny ankizy any an-tsekoly koa izy ireo amin’izao fotoana hoy ny mponina tamin’ny AFP. Ny zoma 26 febroary lasa teo, tovovavy mpianatra ao Jangebe, avaratra andrefan’i Zanfara, miisa 317 no nalaina ankeriny tao amin’ny efitrano fianaran’izy ireo. Nanao fihetsiketsehana teo anoloan’ny sekoly finanarana ireo ray aman-dreny tezitra manoloana ny fakana an-keriny ny zazany. Hetsika izay naharatrana mpanao gazety iray teo amin’ny lohany. Tsy vao sambany no nisehoana tranga fakana an-keriny ao Nigeria. Olona miisa 42, zaza ny 27, mpianatra avy ao amin’ny sekoly iray ao afovoan’i Nigeria no navotsotr’ireo vondrona mpampihorohoro ny am-pitson’ny nakana azy ireo an-keriny. Notanana 10 andro ireo mpianatra ireo izay vao navotsotra raha araka ny vaovao. Efa natomboka ny sabotsy 27 febroary lasa teo ny asa hamonjena ireo tovovay 317 ataon’ireo mpaka an-keriny takalon’aina amin’izao fotoana. Miara misalahy amin’izany avokoa ireo mponina ao Nigeria sy ireo mpitandro ny filaminana.

Laisser un commentaire