Ambohimangakely : Lehilahy iray namono tena tao amin’ny kariera Ambohimahitsy
Lehilahy iray no hita faty tao amin’ny kareira Ambohimahitsy Ambohimangakely, omaly tolakandro. Efa nikasa hanindrona antsy ny tenany ity farany hatramin’ny alahady, fa voasakan’ny manodidina azy, omaly tolakandro tokony, tokony tamin’ny telo anefa izy izao hita faty izao, araka ny voalaza.
« Tsy fantatra mazava ny tena olana sy ny zava-nanjo azy. Tamin’ny alahady hariva izy no nikasa hanindrona antsy ny tenany ka efa nifampitazomana. Hatairana anefa no nahitana azy teny amin’ny kariera, efa tsy nisy aina intsony » hoy ny avy amin’ireo mponina teny amin’ny manodidina.
« Maro ireo trangana famonoan-tena niseho tato ho ato. Mety samy manana ny antony ny mahatonga izany fanapahan-kevitra izany fa saingy tokony azo sorohana ireny tranga ireny amin’ny alalan’ny fandraisana an-tanana sy fanohanana ara-tsaina, ara-moraly ireny olona ireny eny amin’ny fiaraha-monina » hoy i Mireille, mpianatra momba ny psychologie.
Ilaina ny mifampihaino. Anisan’ny zava-dehibe izany mba ahafantarana izay manjo ny hafa. Samy tomponandraikitra ny tsirairay ao anatin’izany. raha mifampihaino sy mifanampy dia tokony ho voasoroka ny tranga toy izao. Ary ny famonontena ihany koa dia anisan’ny heloka ary voararàn’ny lalàna.
