ConseilTsidika

Torohevitra : Ny atao entina miady amin’ny gripa

Mamely tokoa ny sery sy ny gripa amin’izao vanim-potoana fiovaovan’ny toetr’andro izao. Mety ho voan’ny gripa avokoa ny salan-taona rehetra ary tsy mifidy izy io. Tsara ny manamafy ny hery fiarovana araka izany. Raha sendran’ny gripa kosa dia misy ireo fikarakarana tsotra amin’ny fomba natoraly afaka entina miady amin’izany.

Mila tongolo gasy voatetik madinika, tongolo be vaotetika madinika, sakamalaho voakiky, sakay vovony ary vinaigitra paoma raha hikarakara ity ody gripa ity. Arotsaka ao anaty tavoangy vera misarona (bocal) iray avokoa ireo fangaro ireo; hidiana tsara ny “bocal” ka apetraka amin’ny torana tsy azon’ny andro sy hamandoana. Ahontsana isanandro io fangaro io mandritra ny roa herinandro izay vao ampiasaina. Iray sotro fihinana isa-maraina kosa ny fihinana azy, mialohan’ny sakafo maraina. Aorian’ny 7 andro hihinana azy dia tokony ahita fahasitranana ny olona voan’ny sery na gripa mihinana azy.

Afaka afangaro amin’ny tantely iray sotro fihinana ihany koa ny tongolo gasy hasiny telo vaventy efa voatetika madinika, alona andro vitsivitsy ary azo tahirizina anaty vata fampangatsiahana. Samy entina miady amin’ny sery sy gripa avokoa ireo.

Manitra R.

Laisser un commentaire