ActualitésTatitra

La Réunion : Mamokatra asa 5760 isa ny seranan-tsambon’ny nosy

Nanao fanadihadiana momba ny lanja ara-toekarenan’ny Grand Port Maritime ao La Réunion ny Insee. Nanambara izy ireo fa mijanona ho toerana famoronana asa goavana ao amin’ny nosy sy aty amin’ny ranomasimbe indianina io seranan-tsambo io manoloana ireo olona manodidina ny 5 700 miasa mivantana na ankolaka ao aminy.

Amin’ireo mpiasa ireo dia miasa eo amin’ny sehatra an-dranomasina ny 55% na ny mpiasa 3100 isa. Voalaza ihany koa fa mavesa-danja amin’ny fifandanjana ara-tsosialy ao amin’ny nosy io seranana io noho izy misahana ny 2,1% ny fanomezana asa ao La Réunion. Raha ny fanazavana dia niakatra 3,3% izany tahan’ny fanomezana asa tao amin’ny seranan-tsambo izany teo anelanelan’ny taona 2016 sy 2019.

Laisser un commentaire