ActualitésTsidika

Fanatanjahantena:  Efa nigadona  an-tanindrazana omaly ny mpiofana tany  Chine

Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy dia nisy tamin’ireo atileta no niofana tany Chine. Tafaverina an-tanindrazana omaly izy ireo izay niofana nandritra ny 2 volana mahery tany an-toerana. “Andiany voalohany ihany ireto efa tonga ireto fa hanaraka eo kosa ireo ambiny. Miisa 15 ireo atileta Malagasy ireo ary dia niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny mpanao haltérophilie miisa 14.

“Fiofanana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena no narahan’izy ireotany Chine. Izany rehetra izany dia hetsika natao hanomanana ny lalaon’ny Nosy avokoa”, hoy ny Tompon’andraikitra misahana ny fandehanan’ireto atileta ireto tany Chine.

“Raha fampiofanana mandritra ny efatra volana mahery izany ve tsy tokony efa nahazoana traikefa be dia be. Enga anie hody ventiny ny rano natsakaina ka hitondra avo an’ny Madagasikara fa tsy sanatria nandaniana vola fotsiny”, hoy kosa I Njaka, mpankafy fanatanjahantena.

Ho tanterahina eto Madagasikara ny 24 aogositra hatramin’ny 4 septambra izao ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indianina. Raha tsiahivina dia mbola tsy ampy ny fanomanana ary mbola tsy vita saingy ho hafainganina kosa izany asa be izany.

Miora Raharisolo  

Laisser un commentaire