SSMAF : Hetsika iray hahafahana mampiseho ny soatoavina momba ny fihavanana
Amin’ny maha hetsika volavolain’ny Malagasy ny SSMAF dia ny Malagasy ihany koa araka izany no tena hahazo tombony betsaka amin’ity hetsika ity. Marihina manokana amin’izany ny eny amin’ny Distrikan’Avaradrano sy ireo mponina Ambohimangakely, izay toerana ahitana ny BTC.Amin’ny maha-malagasy ny hetsika izany dia fotoana iray ahafahana manome lanja sy mamerina indray ny soatoavin’ny fihavanana izany amin’ny fomba maro samihafa.
« Misy amin’ireo taranja no tsy avy eto Madagasikara no nipoirany saingy amin’ny maha-Malagasy ny mandray anjara dia izay fifampizarana sy fifanampiana izay no entina indrindra hanamarihana izany soatoavina izany. Eo ihany koa ireo mpanohana isan-tsokajiny, io fihavanana io no hiaraha-miasa ahafahana mahatanteraka ny hetsika », hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Ny fandalana ny fihavanana hatramin’izay ka hatramin’izao dia mbola hotazomina hatrany. Hetsika toy izao dia ahafahana manatanteraka izany amin’ny alalan’ny fanohanana ny hetsika sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpikarakara », hoy ny Solontenan’ireo mpanohana ny hetsika tamin’ny andiany teo aloha.
Na ireo mpandray anjara tsirairay, na ireo mpandray anjara sy ireo mpikarakara ; eo ihany koa ny mpanohana sy ny mpandray anjara sy ny mpanohana sy ny mpikarakara dia mety tsy mbola hifankahalala, ka izany indrindra no ilaina ny fambolena ny fihavanana mandritra ny hetsika toy izao. Ilaina izany ahafahana mampandroso ny hetsika sy ny maha-malagasy amin’ny lafiny rehetra.
Miora Raharisolo
