Australie : Trondro iray no hita tany amin’ny 8 300 metatra mahery ambanin’ny ranomasina tany
Tsy mitsahatra mikaroka zava-baovao ny mpikaroka ao Australie. Folo taona lasa izao no nilaza ny UWA (The University of Western Australia) fa azo atao ny mahita trondro any amin’ny 8.200 ka hatramin’ny 8.400 metatry ny alalan’ny ranomasina any. Noporofon’izy ireo izany tamin’ny alalin’ny fahitan’izy ireo ilay « escargot des mers » tany amin’ny 8.336 ambanin’ny rano tany.
Voalohany teo amin’ny tantara no nahitana trondro tany amin’io alalan’ny ranomasina io. Karazana « pseudoliparis » io trondro io ary tao amin’ny « fosse d’Izu-Ogasawara » ao Japon tao amin’ny ranomasimbe Pacifique no nahitana azy. Raha ny fanazavan’ny profesora Alain Jamieson dia trondro miaina ao anaty haizina tanteraka io hita io. Tsy misy hazavana mantsy any amin’io alalan’ny rano io na ny kely aza.
Avo 800 heny kosa ny loza manambana io trondro io raha hoarina amin’ireo miaina any ambonimbonin’ny rano raha ny fanamafisan’ny profesora Alain Jamieson. Nilaza io tompon’andraikitra io fa noho ny hafanan’ny rano any amin’io alalin’ny ranomasina io no mahavelona ireo trondro ireo ao.
