ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Afa-po ireo nanaraka ny fiofanana natolotry ny fikambanana Miotisoa

Fiofanana indroa nisesy no niseho tamin’ity herinandro ity tao anatin’ny hetsika fanomezana fampiofanana maimaim-poana, atolotry ny fikambanana Miotisoa. Afa-po ireo mpiofana nisantarana izany tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, raha ny voalaza. Ho an’ny omaly sy anio kosa dia ny kaominina Sabotsy Namehana no nanatontosana izany.

« Tao anatin’ny roa andro, nandritra ny tontolo andro no nanaovana ny fiofanana maimaim-poana mahakasika ny fanamboarana mofo mamy teto amin’ny kaominina. Karazana mofo tsy latsaky ny enina no niofanana teto ary afa-po ireo mpiofana satria matihaninana no nizara traikefa nandritra izany » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Tena nahafapo ny fiofanana natao teto fa tena nahazoana fahalalana. Ny mpampiofana ihany koa tena tsotra, nahay nanazava sy  nanoro amin’ny atsakany sy andavany nandritra ny fiofanana ka dia hisaorana azy ireo lehibe » hoy i Mino, mpiofana.

Tsiahivina hatrany fa hisy manerana ny kaominina ato anatin’ny distrikan’Avaradrano izao fiofanana izao. Mila miomana mialoha kosa anefa ireo izay liana satria voafetra ny toerana ho an’ireo te hanaraka izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire