Fahasalamana: Voatendry ao amin’ny “UniteHealth Social Media Awards” I Dokotera Manitra Rakotoarivony
Iray tamin’ireo 142 vatendry ao anatin’ny “UniteHealth Social Media Awards” I Dokotera Manitra Rakotoarivony. Ny “UniteHealth Social Media Awards” dia misafidy ireo olona nanana “influence” tamin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny vaovao tsy marina sy nanampy ny piara-belona hahazo sy hiady amin’ny fiparitahan’ny COVID-19 I Dr Manitra Rakotoarivony. Araka izany dia azo atao ny misafidy azy hahafahany mahazo ny loka amin’izany raha hitanao fa nitondra soa ho an’ny Malagasy rehetra nya sany tamin’izany fotoana izany.
“Afaka mandray anjara amin’ny fifidianana avokoa ny rehetra ao amin’ny tranonkalan’ny socmedawards.com hatramin’ny 30 aprily izao. Ny tena anton’ny fifidianana moa dia ny fanekenao fa olona nandray anjara tamin’ny fampitana fomba fanao tsara indrindra sy fampahalalana isan-karazany momba ny viriosy nandritra ny valan’aretina Covid-19 ity Dokotera ity”, hoy avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Iza tokoa moa no tsy nahalala izany Dokotera Manitra Rakotoarivony izany nandritra ny vanim-potoan’ny Covid-19 iny. Izy hatrany no nanetana sy nitondra ny fahaiza-manao sy ny fitondran-tena tsara tokony nananana nandritra ireny fotoana ireny. “Amiko aloha rariny izy raha voatendry satria na ny fomba firesany fotsiny rehefa amin’ny fahitalavitra dia efa mahaliana sy manentana. Hentitra izy kanefa tsy masiaka. Amiko niotndra soa ny vitany nadritra ireny fotoana ireny”, hoy Jemima, renim-pianakaviana.
Tsara ny mampahafantatra fa “UniteHealth Social Media Awards” dia ao anatin’ny andiany fahatelo amin’izao fotoana izao. Noforonina tamin’ny taona 2014 izy io, mikendry ny “hahafantatra ny anjara andraikitry ny mpampiasa fitaovan-tserasera rehetra mifandraika amin’ireo olana lehibe momba ny fahasalamana sy ny fampandrosoana maharitra. Araka izany dia azo atao ny misafidy an’i Dokotera Manitra Rakotoarivony ao amin’ny rohy https://socmedawards.com/2023/nominee/manitra_rakotoarivon/ .
Miora Raharisolo
