Etats-Unis : Vehivavy voafonja iray no nangataka famotsorana amin’ny anaran’ny zaza entiny
Vehivavy mitondra vohoka iray antsoina hoe Natalia Harrell no nangataka famotsorana amin’ny anaran’ny zaza entiny. Raha tsiahivina dia nogadraina noho ny raharaha famonoana olona tamin’ny volana jolay 2022 io vehivavy io. Vehivay iray niray fiara Uber taminy no notifiriny ny basy tamin’io fotoana io.
Nilaza io vehivavy 24 taona behohoka enim-bolana io nandritra ny fangatahany fa tsy meloka na voampanga amin’ny na inona na inona ny zaza ao an-kibony. Nitaraina ihany koa izy fa tsy mahazo ny fitsaboana sahaza ny olona mitondra vohoko ao amin’ny fonja. Manoloana izany dia naka mpisolovava ho an’ilay zaza (avocat de l’enfant à naître) antsoina hoe William Norris ny rain’ny zaza.
Nolavin’ny fitsarana tao Floride kosa io fangatahana io, nilaza izy ireo fa tsy afaka mamaritra raha manan-jo hametraka io fangatahana io ilay zaza ao am-bohoka.
