ActualitésTatitra

Corée du Nord : Nampitandrina ny mety hisian’ny « crise sécuritaire »

Nambara ny Corée du Nord ny alarobia teo fa tsy nahay nanararaotra ny fampiavanana i États-Unis sy i Corée du Sud. Manahy ny mety hisian’ny « crise sécuritaire » goavana izy raha mitohy ny fanenjehina ataon’izy ireo.

Nitsekera an’i Corée du Sud sy États-Unis i Kim Yong Chol, jeneraly ary mpanao politika fa naneho hetsika manafitohana manoloana ny finiavana tsaran’i Pyongyang izy ireo. I Kim Yong Chol moa dia nitana andraikitra lehibe teo amin’ny fihaonana ny filohan’ny Corée du Nord Kim Jong Un sy ny filoham-pirenena teo aloha Donald Trump.

Laisser un commentaire