ActualitésTsidika

FJKM : Tanterahina any Sambava ny Synoda lehibe sy ny fifidianana ny Filoha vaovao hitondra ny FJKM

Hanterahina manomboka ny Alarobia 11 Aogositra 2021 ao Sambava, renivohitry ny faritra Sava, ny Synoda lehibe faha XIX ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), izay atao ao amin’ny FJKM.

Maro ireo mpiandraikitra,mpitandrina eo anivon’ny Fiangonana FJKM no efa tonga tany Sambava ny voalohan’ny herinandro teo.Marihina fa Synoda lehibe efa nokasaina notanterahina tamin’ny taona 2020 izao tsy tanteraka raha tsy ny taona 2021 noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19.

Ho tontosaina mandritry ity Synoda lehibe ity ihany koa, ny fifidianana ny filoha hitantana ny Fiangonana FJKM sy ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao foibe ny FJKM.Ho fantatra mialohan’ny 18 Aogositra 2021 izay fiafaran’ity synoda ity ny ho mpandimby ny filoha ny FJKM amin’izao, Irako Ami Andriamahazosoa. Entanina hatrany isika izay handeha hanatrika izany Synoda lehibe izany mba hanaja ny hafainganam-pandeha eny amin’ny lalana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mateti-pitranga.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire