ActualitésTsidika

Roapolo mianadahy no miofana ho « commissaire de police »

Manomboka ny fampiofanana ireo mpianatra ho manam-boninahitra ao amin’ny ENSP Ivato.

Efa eny amin’ny sekolim-pirenena ambony ho an’ny Polisy eny Ivato ireo mpianatra vaovao ho kaomisera eo anivon’ny Polisim-pirenena.

Roapolo mianadahy izay ireo: sivy ambin’ny folo ny lehilahy ary vehivavy ny iray. Eo amin’ny salan-taona kosa, enina ambin’ny folo taona no zandriny indrindra raha toa ka fito amby efapolo taona no lehibe indrindra amin’izy ireo. Marihana fa sady mpampiofana polisy monisipaly ny enina amin’izy roapolo mianadahy ireo.

« Nisy ny fifanarahana teo amin’ny Polisim-pirenena sy ny ENSP ka izay no antony nampiofanana ireo ‘‘encadreur’’ ny polisy monisipaly ireo » hoy ny CDP Andrianirinarivelo Yves René, talen’ny sekoly.

Fiofanana ara-miaramila, vonjy aina, fombafomba amin’ny lanonana miaramila : toy izany ny fizotry ny fampiofanana. Manantena fiovana izany Madagasikara eo amin’ny kalitaon’ny fomba fiasan’ ireo polisy monisipaly ary eo amin’ny fandriam-pahalemana, nitombo ireo mpiandraikitra.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire