Talata Ampano: Fotodrafitrasam-pampandrosoana maro no hatsangana
Notohizana ny asa fanamboarana ny tetezana Andrianantara Talata Ampano. Efa 75% no vita teo aloha fa tsy maintsy nahato noho ny rivo-doza ANA. Rava tanteraka anefa izy vao tonga ny rivo-doza Batsirai. “Tetezana mirefy 110 metatra izy ity izay mampitohy an’i Vohimarina, Andoharanomaitso sy Talata Ampano. Raha vita ny làlana dia mitondra hatrany Isandra sy Ikalamavony” hoy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana. “Tsy maintsy vitaina haingana ny asa fanamboarana ity tetezana ity. Mbola betsaka ihany koa ny fotodrafitrasam-pampandrosoana hantsangana eto toy ny tsena, ny biraon’ny Kaominina ary ny EPP” hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Tsy nisy fandrosoana mihitsy ny tanànan’i Talata Ampano hatramin’izay hoy ny fitalahoan’ireo mponina any an-toerana. Hametrahana “forage” ihany koa ity kaominina ity mba hahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio. Ho fanampin’izay dia hisy “bloc sanitaire” hatsangana ihany koa any an-toerana .
