ActualitésTatitra

La Réunion : Sendika fito amin’ny mpamonjy voina no manohitra ny tsy maintsy hanaovana vaksiny

Voatondro fa tsy maintsy manao vaksiny avokoa ny mpamonjy voina rehetra hatramin’ny 15 septambra izao. Sendika maro no tsy nankasitraka izany fanapahan-kevitra izany. Tsy maintsy manoa vaksiny tahaka ny mpiasa rehetra ao amin’ny toeram-pitsaboana sy ny Ehpad ny mpamonjy voina any La Réunion. Tsy manaja ny fahafahan’ny tsirairay izany hoy ireto sendika ireto, koa nangataka tamin’ny Parlemantera izy ireo mba hanatsoahana izany fanapahan-kevitra tsy maintsy hanaoavana ny vaksiny izany. « Salama tsara daholo izahay kanefa nahoana no voatery tsy maintsy hanao vaksiny » hoy i Xavier Boy, filohan’ny « Fédération Autonome des Sapeurs-Pompiers Professionnels et des Personnels Administratifs et Techniques Spécialisés (FA SPP PATS) ».

Laisser un commentaire