SportTatitra

Japon : Hita ihany ilay mpibata fonjam-by avy any Ouganda

Tsy hita tany Japon, raha tsy nahavita akory ny fitiliana PCR isan’andro izay tsy maintsy atao ao amin’ny toerana hanaovana ny Jeux Olympiques any Tokyo, i Julius Ssekitoleko izay haltérophile avy any Ouganda nanomboka ny zoma 16 jolay lasa teo. Tokony niverina tany Ouganda ity atleta ity ny talata 20 jolay lasa teo satria tsy nandresy ho any amin’ny jeux olympiques. Naharay taratasy anefa ny tompon’andraikitra tao Japon izay avy any amin’i Julius Ssekitoleko. Nanazava tao anatin’ilay taratasy izy fa tsy te hiverina any Ouganda fa hitady asa any Japon raha efa nandao ny trano fandraisam-bahiny nitoerany. Efa nividy tapakila ho an’ny fiaran-dalamby makany Nagoya izay 200 kilometatra miala amin’ity toerana nisy azy ity izy. Ny filohan’ny federasionan’i Ouganda Salim Musoke no nanao ny filazana nanomboka ny zoma teo fa tsy hita I Julius Ssekitoleko ary tena gaga raha nahare ny vaovao, ny agence Reuters kosa no nahita azy.

Laisser un commentaire