Nosokafana ny biraon’ny ATT vaovao any amin’ny faritra Sofia
Mifantoka kokoa amin’ny filan’ny vahoaka ny fandrosoana, mba hiainan’ny firenena anaty fiadanana izay mety hampihena ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Isan’ny nampimenomena ny olona indrindra ireo mpampiasa ny lalam-pirenena fahenina mianavaratra iny makany Antsohihy. « Nikatso ny fampitana ny vokatra izay fivelomanay aty ambany ravin-kazo ity » hoy i Jean Yves, mponina avy any Antsohihy.
Vita tsara ny lalana ankehitriny ary hosokafana tsy ho ela aza ny « gare routière » mampitohy an’i Bekotrobaka sy Antsohihy hoy ny tale jeneralin’ny Agences des Transports Terrestres na ny ATT izay any an-toerana amin’izao fotoana izao. Ny tompon’andraikitra teny ifotony ao amin’ny faritra Sofia no noresahany nandritra izany manodidina ny amin’ny fampiasana ny RN6 sy ny fanokafana ny gare routière.
Ny olom-boafidy any an-toerana mantsy no manakaiky sy to-teny kokoa amin’ny vahoaka ka tsara raha izy ireo no hampitana voalohany ny fanenantanana ary izy ireo indray avy eo no mampita izany amin’ny vahoaka. « Napetraka ankehitriny ny biraon’ny ATT aty amin’ny faritra Sofia mba hahafahana manara-maso ireo fiara hitatitra ny vahoaka any amin’ity faritra ity » hoy ny avy ao amin’ny ATT.
Nicole Rafalimananjara
