ActualitésTsidika

Nahazo fanampiana ny mpamonjy voina ao Fianarantsoa

« Parkas, sweats, t-shirts, polo, short » miisa 367 no fanamiana fiantrehana ny afo azon’ireto mpamonjy voina an-tanàn-dehibe an’i Fianarantsoa ireto. Ny ben’ny tanàna Ratsimbazafy Sahondramalala no nandray ny fanampiana ary afa-po tamin’ny fanampiana nataon’ny Ravinala Airports ny tenany, « mankasitraka ny hetsika ataonareo » hoy izy. Toy izay ihany koa ny solon-tenan’ny mpamonjy voina izay nisaotra ny tsy fanadinoan’izy ireo an’i Fianarantsoa

« Vonona hatrany izahay ho eo akaikin’ny fiaraha-monina Malagasy » hoy ny talen’ny Ravinala Airports Patrick Collard ary « hihitatra manera an’i Madagasikara ny fiaraha-miasa » nandritra ny nandehanany tao an-toerana niaraka tamin’i Ratsimbazafy Felana, talen’ny “Qualité, Hygiène, Sécurité, Sûreté, Santé et Environnement ». Tsara ho fantatra fa miara miasa amin’ny Aéroports de Paris sy ny Aviation sans frontiers ny Ravinala Airports.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire