Masoivohon’i Etats-Unis : Nasiam-panitsiana ny saran’ny fanagatahana visa
Mampahafantatra ny avy ao amin’ny Masoivoho Amerikanina ho an’ireo izay tafiditra amin’izany fa nasiam-panovana ny saran’ny fangatahana “visa” ho an’ireo mpitsidika sy ireo mikasa handalo any Amerika manomboka ny 30 mai ho avy izao. Ireo sara ireo raha ny fanazavana dia voakaonty tamin’ny alalan’ireo servisy rehetra tsy maintsy lalovan’ny fangatahana ny visa.
« Nahitana izany fanovana izany avokoa ny fizahantany, ny fianarana ary ny asa. Hiakatra $185 raha $160 teo aloha ny saran’ny visa mankany Etazonia ho an’ny fizahantany sy ho an’ny fianarana (NIV) tsy mifototra amin’ny fifanarahana ara-kasa. Ny saran’ny visa mahakasika ny asa vonjimaika dia hiakatra $205 raha $190 teo aloha. Ny saran’ny visa dia hiakatra $315 raha $205 teo aloha », hoy ny avy amin’ny Masoivohon’i Etats-Unis.
Tsara ny manamarika fa ireo mpangataka visa izay efa nandoa ny saran’ny visa sy efa manana rosia manankery (tsy lany daty) dia tsy voatery handoa sarany fanampiny intsony. Tsy mila mandoa sarany fanampiny intsony ihany koa ireo mpangataka visa izay efa nohadihadiana ary efa eo ambany fanaraha-maso ny fangatahany.
Manankery manomboka ny faran’ity volana ity izany hoe ny 30 mey ho avy izao izany fanovana amin’ny fangatahana visa izany ka tokony efa ho mailo avokoa ireo izay voakasik’izany rehetra.
Miora Raharisolo
