Tunisie: Nahazo vaksiny maherin’ny 500 000 tany amin’ny frantsay
Nanolotra vaksiny maherin’ny 500 000 sy oxygène ho an’i Tunisie i France ny 22 jolay lasa teo. Nilaza ny sekreteram-panjakana Frantsay, Jean-Baptiste Lemoyne, fa hanome fatram-baksiny maherin’ny iray tapitrisa ho an’i Tunisie. Fatram-baksiny 624 000 aloha izao no voarain’ity firenena any Afrika andrefana ity izay vaksiny AstraZeneca ka 124 000 avy amin’ny « initiative Covax » ary 500 000 kosa ny vaksiny « Janssen ». Etsy an-kilany, nitondra citerne 3 feno oxygène ny sambo Fantsay iray ho an’i Tunisie hatrany. Efa mahatratra 3,2tapitrisa araka izany ny oxygène voarain’i Tunisie hatramin’izao izay avy amin’i Chine, Etats-Unis ary France.
