ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Manintona biby ny « hydnora africaine »

Zava-maniry « achlorophylle » ao anatin’ny fianakavian’ny « hydnoroideae » ny « hydnora africaine ». Ao amin’ny faritany atsimon’i Afrique no misy azy, ary katsentsitry ny fakan’ireo zava-maniry ao anatin’ny fianakavian’ny « euphorbiaceae » izy.

Misy ihany koa ny miantso io zava-maniry io hoe « jakkalskos » na « nourriture de chacal ». Maniry any ambanin’ny tany izy, fa ny voninkazony nofosana ihany no mipoitra, ary mamoaka fofona mahery misarika ireo bibikely.

Azo hoanina kosa ny voan’ny « hydnora africaine », raha ny fantatra dia toy ny ovy ny tsirony. Misy ihany koa ireo mampiasa azy amin’ny antony ara-pahasalamana, ary amin’ny fakàna « tanin ».

Laisser un commentaire