ActualitésTsidika

CFM : Nisy ny tolo-kevitra narafitra ho boky ho fisorohana ny disadisa

Nohamafisin’ny Komitin’ny Fampihavanam-pirenena (CFM) ny fampahafantarana sy fanentanana amin’ny hampiharana ilay tolo-kevitra narafitra ho boky. Ho firosoana amin’ny fisorohana ny disadisa mety ateraky ny fifidianana atao eto amin’ny firenena no anton’izany.

« Le Soatoavina malagasy source d’apaisement electoral » no lohateny nampitondraina ny boky mirakitra ny tolo-kevitra. « Mifototra amin’ny soatoavina malagasy io boky io. Manome torolalana amin’ny fifampidinihana an-kitsi-po sy manaja ny tany tan-dalàna. Manampy amin’ny hisian’ny fifidianana mangarahara, eken’ny rehetra, tsy misy fifandirana ary mitarika amin’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika » hoy ny avy ao amin’ny CFM. « Efa natolotra ho an’ny HCC sy ny CENI ny tolo-kevitra. Homena ny minisiteran’ny Atitany sy filohana Andrimpanjakana samihafa ihany koa. Ary hohaparitaka sy hampahafantarina ny vahoaka malagasy amin’ny fotoana maha mety azy » hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse.

Tsy zakan’ny malagasy intsony ny hisian’ny kirizy eto amin’ny firenena hany ka tsy ekena ny hisian’ny fifandonana hiteraka ra mandriaka noho ny resaka disadisa politika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire