ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manofana tanora ho lasa matihanina mahaleotena ny PLE

Anisan’ny filamatry ny mpanorina ity PLE ity ny hoe « hamolavola tanora handraharaha sy hahaleo tena ao aoriana ». Tsapa fa sarotra ny mitady asa noho ny antony maro samihafa. Ny fiainana koa anefa tsy vitan’ny hoe mipetrapetraka fotsiny fa ilaina ny mitady satria efa miakatra ny vidim-piainana.

Manolotra fampiofanana ho an’ny tanora ny PLE mba hahafahan’izy ireo manangana ny orinasany. Asa momba ny vy moa no hahafantarana izany PLE izany ka mahaksika izay tolotra izay indrindra no omen’izy ireo. Misy sampan telo ao afaka hianarana sy hananganana orinasa tsara mihitsy. Misy ao ny « ferronerie », ny « soudure électrique » ary ny « plomberie de base ». Mandray ny olona rehetra ny ao amin’ny PLE ary tsy mifidy mihitsy na lahy na vavy satria tsy misy ny hoe « asa natokana ho an’ny lehilahy irery ihany ».

« Ny mpiofana rehetra ato aminay dia tsy maintsy mahay vao miala ato satria tsy mandray betsaka isaky ny “vague” izahay fa vitsivitsy dia amin’izay voahara-maso tsara izy ireo. Ireo mpiofana rehetra ireo dia tsy maintsy mitazona fitaovana daholo satria ilaina be mihitsy ny fampiharana izay hay mba hampamora ny asa rehefa ao aoriana ao », hoy i Avotra Nomenjanahary, Tompon’andraikitra teknika ao amin’ny PLE.

« Ireo mpampianatra ireo mihitsy no manery anay hikitika ireny fitaovan ireny satria hiasa irery izahay rehefa tafavoaka ato ka ilaina ny mahafantatra dieny aty ny momba izany asa izany. Rehefa ato kola izahay dia hampianarina mihitsy hahaleo tena fa tsy hiankina amin’ireny mpampiasa ireny ohatra », hoy i Naina, mpiofana.

Maro ny asa afaka foronina rehefa tsy te hiankin-doha amin’ny mpampiasa sy te hahaleo tena, efa izany fahaleovan-tena izany koa ankehitriny no tedavina amin’ny tsirairay. Samy mampivoatra ny tenany ary rehefa mivoatra ny tsirairay dia mivoatra ho azy ny firenena.   

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire