Ambanja: efa an-dalam-pahavitana ny “Parc solaire”
Ho fanantevenana ny famatsiana herinanratra sy ho fiarovana ny tontolo iainana dia misy ny asa fametrahana “Parc solaire” ao Ambanja. Ankehitriny dia efa mamaraparana ny asa ireo mpandraharaha miandraikitra azy ity. Raha ny vinavina dia ny faran ‘ny volana Aogositra ho avy izao no ho vita tanteraka ny asa rehetra. Araka ny tanjon’ny tetikasa dia mponina miisa 4675 any an-toerana no hisitraka herinaratra maimaim-poana aorian’ny fahavitan’ny asa.
“ Mitohy hatrany ny fanaganana toeram-paamokarana herinaratra azo avy amin’ny Masoandro. Toy ny Faritra maro eto Madagasikara dia anisany misitraka izany ihany koa ny eto Ambanja. Raha azavaina tsotra dia hanome 825 KWc ny avy amin’ny herin’ny masoandro, 2104 KW ny «production thermique » izay misy milina mpihary herinaratra (groupe électrogène) miisa 4 ka ny 2 dia manana tanjaka 660 KW ary ny 2 kosa 392 KW.” Hoy ny teknisianina
“ Mahafaly anay mponina ny fisian’ny asa tahaka izao, indrindra fa tetikasa natao hitsinjovana anay vahoaka ety ifotony. Isan’ny olana sedrainay tokoa mantsy ny olan’ny herinaratra ka antenaina fa hamaha izany olana izany ity tetikasa ity rehefa vita. Tombony ihany koa ilay izy vokarina amin’ny herin’ny Masoandro satria tsy ny rehetra no manana fahefana hividianana herinatra.” Hoy ny solontenan’ny mponina
Toerana maro eto Madagasikara no efa misitraka ny famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny Masoandro. Ity karazana angovo ity ihany koa dia anisany amporisihan’ireo fikambanana sy vovonana isan-karazany misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana satria fantatra fa fomba iray izy ity hiarovana ny tontolo ianana sy itsitsiana ny angovo amin’ny maha angovo madio sy azo havaozina azy
Miranto Andriharisoa
