Maurice : Hiakatra 9 hatramin’ny 15% ny karaman’ny CHCL
Efa ho telo taona no nanao fitakiana manoloana ny fampiakaran-karama ny mpiasan’ny CHCL (Cargo Handling Corporation Ltd). Ny volana 2020 teo mantsy no nokasaina natao ny fanavaozana saingy noho ny valan’aretina Covid-19 dia tsy tanteraka izany.
Tontosa ny talata teo ao amin’ny CCM (comité de conciliation et de médiation) ny fanaovan-tsonia ny fanavaozana ny fampiakaran-karama. Natrehan’ny praiminisitra, Pravind Jugnauth izany sy ny CTSP (confédération des travailleurs du secteur privé) ary raha ny fanazavana dia antontan-taratasy 82 pejy no mirakitra izany izay mirakitra ny fampiakarana 9% ho an’ny sampana fitantanana (postes administratifs) ary 15% ho an’ny mpiasa ao amin’ny sampana « manutention ».
