ActualitésTatitra

Mayotte : Nodikain’ireo manam-pahefana sasantsany ny fanampahan-kevitry ny fitsarana

Mbola ivon’ny resaka rehetra ao Mayotte ny hetsika Wuambushu. Raha tsiahivina dia entina handravana ireo tanàna « bidonvilles » sy handroahana faobe ireo mpifindra-monina mitoetra tsy ara-dalàna ao Mayotte izany hetsika izany. Nandray fanampahan-kevitry ny fitsarana tao an-toerana fa tsy mbola hatomboka ny fandravana ireo tanàna noho ny loza mety haterak’izany amin’ireo trano fonenana manodidina.

Nodikain’ireo manam-pahefana sasantsany nefa io fampiantoana ny hetsika io. Trano tsy ara-dalàna maromaro no noravana tao Longoni. Trano « béton » 10 miorina amin’ny tanim-panjakana hatrany amin’ny taona 2010 tany izany raha ny fanazavan’ny préfet ao Mayotte, Thierry Suquet. Ahafahana manomboka fanamboarana toeram-pianarana ny fianjeran’ireo trano ireo raha ny fanamafisany.

Tsy nisy kosa ireo tompon’andraikitra tonga nanakana izany fandravana izany raha ny tatitra na eo aza ny didy nampiato izany.

Laisser un commentaire