ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Hisy ny fizarana jiro mora ho an’ny isan-tokatrano

Hisy ny fizarana jiro mora ho an’ny isan-tokatrano, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely rahampitso. Fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny jirama no nisian’izao hetsika, araka ny voalaza.

« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny orinasa jirama ny mizara sy manome jiro mora ho an’ny isan-tokatrano. Efa maro ny fokontany nanatontosana izany ary afa-po ireo mpisitraka » hoy ny avy amin’ny jirama.

« Manentana ny mponina rehetra, indrindra ny any amin’ireo fokontany tsy mbola misy jiro fa fotoana fanararaotana izao. Tongava avokoa ary tsara mifanentana ny isam-pokotany, hiara-hirona satria tombotsoa lehibe ny fisitrahana hazavana » hoy ireo avy amin’ny kaominina.

Rahampitso sabotsy 29 aprily moa no hanatanterahana ity hetsika ity. Hanomboka amin’ny 01 ora tolok’andro izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 05 ora hariva. Ny fokontany Ambohimahitsy, Ikianja, Ambohimangakely, Betsizaraina, Antanetibe, Behitsy, Andranovao, Antanambao, Amoronakona  ary Soamanandrariny no voakasika amin’izay famatsiana jiro izay.

Manitra R.

Laisser un commentaire